Governora Hery Rasoamaromaka, 4 taona nitantanana an'Analamanga

Efa-taona nitantanana an'Analamanga
Feno 4 taona androany 25 Septambra 2023 ny nitantanan'ny Governora Hery Rasoamaromaka ny Faritra Analamanga. Araka izany dia nisy ny fanambarana nataony:
Feno 4 taona androany izany hoe ny 25 Septambra 2019 no nanendren'ny Filoha Andry RAJOELINA ahy ho Governoran'ny Faritra Analamanga.
4 taona androany ihany koa noho izany ny niarahako niasa tamin'ireo ekipa ato amin'ny Faritra Analamanga.
Etoana ny tenako dia mitondra ny teny fisaorana ho an'ny Filoha Andry RAJOELINA izay nanome fitokisana ny tenako ka nanendry ahy ho eo amin'izany toerana izay isan'ny misahana adidy sy asa mafy eto amin'ny Firenena izany.
Tato anatin'izay 4 taona izay dia maro ny asa vitanay sy ireo ekipa ato amin'ny Faritra Analamanga raha tsy hitanisa afa-tsy ny lalana pavé amina kilometatra maro, toy izany koa ny lalan-tany, ny sekoly sy tohodrano ary ny maro tsy voatanisa.
Ny tenako sy ireo ekipa miaraka amiko dia mbola vonona hatrany hanohy ny asa ampiandraiketina anay satria MADAGASIKARA TSY MAINTSY MANDROSO.