Ankazobe : Fizarana kara-tany sy titres

Mankasitraka ny fitondram-panjakana ny vahoaka
Tontosa tao amin’ny Distrikan’Ankazobe ny lanonana fizarana Titre sy Karatany ho an’ny Faritra ANALAMANGA, ny 25 septambra 2023 lasa teo. 
Nanome voninahitra izany fotoan-dehibe izany ny Governoran'ny Faritra Analamanga Hery Rasoamaromaka sy ireo mpiara-miasa aminy.
Nitarika ny lanonana kosa ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany, Andriamatoa Holder RAMAHOLIMASY, ny Minisitra mpiahy ny Faritra Analamanga, Andriamatoa Gerard ANDRIAMANIHOSOA ary notronin’ ireo olom-panjakana voafidy sy voatendry tany an-toerana.
Kara-tany miisa 82 683 no hozaraina ato amin'ny Faritra Analamanga ka 12 531 no nozaraina tao Ankazobe.
Nisy koa ny fizarana titres ankoatra ny Karatany: 3968 ho an’ny Faritra ANALAMANGA ka 282 tamin'izany no nozaraina nandritra ny lanonana tao Ankazobe.
Faly ny vahoakan’Ankazobe ary maneho fisaorana ny fitondram-panjakana tamin’ny ezaka rehetra hizarana ny tany ho an’ny Malagasy.