Gouvernora mpisolo toerana Rtoa ANDRIATSIMIHETRY RAMESY Farasoambolanoro

Fitantanana ny Faritra Analamanga
Ramatoa RATSIHAROVALA ANDRIATSIMIHETRY RAMESY Farasoambolanoro Marie Jackia no voatendry ho Governora mpisolo toerana ato amin'ny Faritra Analamanga, araka ny tapaka tao amin'ny filankevitry ny minisitra natao ny talata 24 oktobra 2023 lasa teo. Raha tsiahivina dia nametra-pialana ny Governora Hery Rasoamaromaka noho ny fanajana ny lalàna, satria hanao fampielezan-kevitra miaraka amin'ny kandidà Andry Rajoelina ny tenany.
Marihina fa ity Governora mpisolo toerana ity, izay manam-pahaizana momba ny lalàna, dia tsy olona vaovao fa Sekretera Jeneralin'ny Faritra Analamanga ihany.
Mitohy ny asa fampandrosoana
Notanterahina ny tolakandron'ny alarobia 25 oktobra 2023, tetsy Ambohidahy ny fifamindram-pahefana teo amin'ny Governora teo aloha Hery Rasoamaromaka sy ny Governora Mpisolo toerana Ramatoa Andriatsimihetry Ramesy Farasoambolanoro Marie Jackia. Nivoitra nandritra ity fotoana ity fa tsy nitsanga-menatra ny Faritra Analamanga nandritra ny fotoana nitantanan'ny Governora teo aloha, noho ireo asa marobe vita. Nanome toky ny hanohy izany kosa ny Governora mpisolo toerana, izay tsy olom-baovao amin'ny Faritra Analamanga fa Sekreteraa Jeneralin'ny Faritra ihany. Nahazo ny tso-drano avy amin'ny tompon-toerana teo aloha rahateo ny tenany.