Tontosa ampilaminana ny alakamisy 16 novambra 2023 lasa teo ny fihodinana voalohany amin'ny fifidianana izay ho filohan'ny Repoblika eto Madagasikara. Ny sabotsy 25 novambra 2025 no namoaka ny vokatra vonjimaika feno ny avy ao amin'ny CENI. Toy izao ny vokatra:
Mpifidy anaty lisitra : 11043836
Mpifidy nandatsa-bato : 5119492
Taham-pahavitrihana : 46,36%
Vato fotsy : 127145
Vato maty : 147583
Vato manan-kery : 4844764
Vato azon'ny kandidà tsirairay :
1- RAZAFINJOELINA Tahina FTT 76608 na 01,58%
2- ANDRIANAINARIVELO Hajo Herivelona MMM 91155 na 01,88%
3- RAJOELINA Andry Nirina TGV 2856090 na 58,95%
4- RATSIRAKA Iarovana Roland MTS 76532 na 01,58%
5- RAVALOMANANA Marc TIM 586273 na 12,10%
6- PARAINA Auguste Richard TT 29764 na 00,61%
7- RAOBELINA ANDRIAMALALA Andry Tsiverizo ARB 30137 na 00,62%
8- RAZAFITSIANDRAOFA Jean Brunelle APM 63336 na 01,31%
9- RATSIRAHONANA Lalaina Harilanto ANTOKO FIHAVANANTSIKA AN'I KRISTY 32580 na 00,67%
10- RAJAONARIMAMPIANINA RAKOTOARIMANANA Hery-Martial HVM 251145 na 05,18%
11- RADERANIRINA Sendrison Daniela Fy-M 39061 na 00,81%
12- RATSIETISON Jean Jacques Jedidia FMI-Ma 14630 na 00,30%
13- RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry PSD 697453 na 14,40%
Tsara ny manamarika fa ny 𝗳𝗮𝗺𝗼𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘃𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮 𝘃𝗼𝗻𝗷𝗶𝗺𝗮𝗶𝗸𝗮 𝗻𝗼 𝗮𝗻𝗷𝗮𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗖𝗘𝗡𝗜 - araka izay voalazan’ny andininy faha-198 ao amin’ny Lalàna fehizoro lf 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018 - an’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana irery ihany kosa ny fanambarana ny voka-pifidianana ofisialy. Toy izany koa ny fikirakirana ireo fitarainana sy fifanolanana samihafa, 𝗻𝘆 𝗛𝗖𝗖 𝗻𝗼 𝗿𝗮𝗳𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗺𝗮𝗵𝗲𝗳𝗮 𝘁𝗲𝗻𝗱𝗿𝗲𝗻’𝗻𝘆 𝗹𝗮𝗹𝗮̀𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝗳𝗮𝗸𝗮 𝗺𝗶𝗸𝗶𝗿𝗮𝗸𝗶𝗿𝗮 𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆.
Isan’ireo tonga nanatrika ny famoahana ireo voka-pifidianana vonjimaika ny solontena avy amin’ny Andrimpanjakana, ireo mpiara-miombonantoka ara-bola sy ara-teknika, ireo kandidà mpifaninana, ireo raiamandreny, ireo mpanara-maso fifidianana eto an-toerana sy iraisam-pirenena.
Vokatra isaky ny birao fandatsaham-bato CENI