FAMETRAHA NY FILOHA AMIN'NY FOMBA OFISIALY

Lanonam-pianianana ataon'ny Filoha Andry Rajoelina : 16 desambra 2023
Hotanterahina ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny 16 desambra 2023 ho avy izao amin'ny 10 ora maraina, ny fametrahana amin'ny fomba ofisialy sy ny fianianan'Andriamatoa Andry Rajoelina, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara voafidin'ny vahoaka malagasy.

 

Lany ho filoham-pirenena Malagasy indray Andriamatoa Andry Rajoelina
Ny Zoma 01 Desambra 2023 no navoakan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana na ny HCC, tetsy Ambohidahy, tamin'ny fomba ofisialy ny vokatry ny fifidianana izany ho Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara. Fifidianana izany natao ny alakamisy 16 Novambra 2023. Lany tamin'ny isam-bato 2 858 947 (58,96%) ny kandidà laharana faha-3 Andry Rajoelina. Tsy misy araka izany ny fihodinana faharoa.
Kandidà 13 no nifaninana ka toy izao ny vokatra azon'ny tsirairay tamin'izany : 
 
    Tahina Razafinjoelina 76 533 (1,58%)
    Hajo Andrianainarivelo 91 832 (1,89%)
    Andry Rajoelina 2 858 947 (58,96%)
    Roland Ratsiraka 76 858 (1,59%)
    Marc Ravalomanana 586 282 (12;09)
    Auguste Paraina 29 874 (0,62%)
    Andry Raobelina 30 198 (0,62)
    Jean Brunelle Razafitsiandraofa 63 474 (1,31)
    Lalaina Ratsirahonana 32 608 (0,67%)
    Hery Rajaonarimampianina 251 144 (5,18%)
    Sendrison Raderanirina 38 966 (0,80)
    Jean Jacques Ratsietison  14 468 (0,30%)
    Siteny Randrianasoloniaiko 697 691 (14,39%)
Taorian'ny fanambarana ny vokatra nataon'ny HCC dia tsy niandry ela ireo masoivoho vahiny miasa eto amintsika fa namoaka fanambarana ihany koa miarahaba sy mirary soa ho an'ny Filoha Andry Rajoelina.