Ireo andry telo iorenan'ny fitantanana ny firenena

Ho antoky ny fampandrosoana
Andry telo (03) goavana no hiorenan’ny fomba fitantanana ny firenena ao anatin’ity fepotoam-piasana vaovaon'ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ity :
● Ny fampandrosoana ny maha-olona sy ny fanaovana laharam-pahamehana ny lafiny sosialin’ny vahoaka malagasy
● Ny fampiroboroboana ny indostria sy ny famoronana asa
● Ny fametrahana fanjakana tsara tantana amin’ny alalan’ny fanavaozana ny rafi-pitantanana ny asam-panjakana sy ny ady amin’ny kolikoly.
Ireo ihany koa no hamaritra ny drafitr'asan'ny 100 andro voalohan'izany fepotoam-piasana vaovao izany.