Voatendry indray ho Praiminisitra

Ntsay Christian, nametrahan'ny Filoha Rajoelina ny fitokisana ho lehiben'ny governemanta
Notendren'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ho Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Andriamatoa Ntsay Christian, araka ny didim-panjakana laharana faha 2024-007.
Andriamatoa Ntsay Christian moa dia efa Praiminisitra nandritra ny fe-potoam-piasana voalohan'ny Filoham-pirenena ary izao nametrahany fahatokisana izao indray hanohy ny asa fampandrosoana izay efa natomboka.  Andrasana aminy ny fanafainganana ny raharaham-panjakana sy fametrahana fomba fiasa vaovao hanatrarana ny vinam-pampandrosoana an'i Madagasikara hoy ny Filoha.
Hiroso amin'ny dingana manaraka ny roa tonta dia ny fifantenana ireo minisitra handrafitra ny Governemanta vaovao.
Ampy traikefa
Teraka ny 27 martsa 1961 tao Antsiranana. 
Notendren'ny Filoha Hery Rajaonarimampianina ho Praiminisitra ny 04 Jona 2018 taorian'ny fametraham-pialana nataon'ny Praiminisitra Olivier Mahafaly Solonandrasana ary nanangana ny governemantan'ny firaisam-pirenena (gouvernement d'union national de consensus) ny 11 jona 2018.
Notendren'ny Filoha Andry Rajoelina ho Praiminisitra indray ny janoary 2019. Nametra-pialana ny 19 jolay 2019 noho ny fiatrehana ny fifidianana solombavam-bahoaka, naverin'ny Filoha Andry Rajoelina ho Praiminisitra indray avy eo. Nisy ny fanovana ny governemanta ny 29 janoary 2020 ary mbola i Ntsay Christian ihany no notendren'ny Filoha Andry Rajoelina ho Praiminisitra.
Lehiben'ny governemanta ifarimbonana (gouvernement collégial) nanomboka ny 09 septambra 2023 taorian'ny fametraham-pialana nataon'ny Filoha Rajoelina izay hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena fanindroany. Ny 16 desambra 2023 no natao ny fifidianana.
Notendren'ny Filoha Andry Rajoelina ho Praiminisitra indray ny 04 janoary 2024 araka ny didim-panjakana laharana faha 2024-007, taorian'ny nahalany an'Andriamatoa Andry Rajoelina ho filoham-pirenena indray.