Fanadiovana ny tananan'Antananarivo

CURAGE CANAL
Nitohy androany 20 Janoary 2024 tontolo ny curage canal teto amin'ny faritra maro teto Antananarivo renivohitra.
Isan'ny nanaovana izany ny tetsy 67 ha sy Ilanivato Anosipatrana.
Antony tena nanaovana izao ny mba ho fisorohana ny fiakaran'ny rano eny amin'ny faritra iva amin'izao fahavaratra izao.
Entanina hatrany isika mipetraka manamorona ireny lakan-drano ireny mba hanaja sy hitandro ny fahadiovana ka tsy hanary fako any anatin'izy ireny satria dia toy ny mandrora mitsilany ihany ny fanaovana izany.
Marihana fa mitohy hatramin'izao alina izao ny asa sahanin'ny faritra Analamanga
 
Mitohy ny asa fanadiovana, 19 janoary 2024
Nitohy ny 19 janoary 2024 ny fanadiovana "canal" etsy amin'ny lakandranon'Andriantany sy ny fandraofana fako etsy amin'ny 67 Ha, sy faritra maro eto Antananarivo ho fanampiana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
Nohamafisin'ny Governora Hery Rasoamaromaka hatrany fa ny Faritra Analamanga dia manome toky antsika fa hiezaka hanala ireo fako miavosa eny amin'ireo toerana maro eto Antananarivo.
MADAGASIKARA TSY MAINTSY MANDROSO.
Tsy mialangalana fa manome tanana ny Faritra Analamanga, 18 janoary 2024
Taorian'ny fanendrena indray an'Andriamatoa Hery Rasoamaromaka ho Governora ato amin'ny Faritra Analamanga, ny 17 janoary lasa teo, dia tsy niandry ela ny tenany sy ireo mpiara-miasa aminy fa natomboka androany 18 janoary ny fandraofana fako sy "curage canal" tetsy 67Ha Atsimo sy tetsy amin'ny lalambỳ Ampefiloha ary tetsy Behoririka.
Nitohy ny alina manontolo ny fanadiovana ka isan'ny voakasika tamin'ny fandraofana ireo fako mivangongo ny tetsy Ampefiloha akaikin'ny tetezana, ny tetsy Anosikely akaikin'ny tsenan'ny voninkazo, ny tetsy Ampatsakana.
Mankasitraka ny fitondram-panjakana ny vahoaka
Miara-mifanome tanana amin'izao fanadiovana izao ny avy ao amin'ny Faritra Analamanga, ny kaominina Antananarivo renivohitra, ny BNGRC sy ireo minisitera isan-tsokajiny. Mandray ny andraikiny hatrany koa ny mpitandro ny filaminana amin'ny fandrindrana ny fifamoivoizana satria mifanaretsaka tokoa ny kamiaobe mpitatitra fako. Araka ny fanazavana avy ao amin'ny SMA dia fako manodidina ny 1500 taonina no raofina eto Antananarivo Renivohitra amin'izao fotoana izao.

Voatendry indray hitantana ny Faritra Analamanga, 17 janoary 2024
Voatendry indray ho Governoram-paritra Analamanga Andriamatoa RASOAMAROMAKA Herilalaniaina araka ny filankevitry ny minisitra natao ny 17 janoary 2024 lasa teo. Nitana io andraikitra io ny tenany nanomboka ny 25 septambra 2019 ary nametra-pialana tamin'ny volana oktobra 2023 satria hanao fampielezan-kevitra hampandaniana an'Andriamatoa Andry Rajoelina, kandidà ho filoham-pirenena tamin'izany. Voatendry ho Governora mpisolo toerana Ramatoa RATSIHAROVALA RAMESY Farasoambolanoro Marie Jackia, izay Sekretera Jeneralin'ny Faritra Analamanga ihany, ny 24 oktobra 2023. Manomboka izao dia hiverina handray ny asany amin'ny maha Governoran'Analamanga azy indray Andriamatoa RASOAMAROMAKA Herilalaniaina.