Fananganan-tsaina ny Alatsinainy 22 Janoary 2024

FARITRA ANALAMANGA HIASA HO ANTSIKA HATRANY

Androany Alatsinainy 22 Janoary 2024 no andro voalohany niverenako niasa indray tato amin'ny Biraon'ny Faritra Analamanga eto Ambohidahy tao aorian'ny naha voatendry ahy indray ho Governoran'ny Faritra Analamanga ny Alarobia lasa teo.

Marihina anefa fa efa niasa andro aman'alina isika nanomboka ny Alakakamisy teo saingy tonga dia teny an-kianja avy hatrany nanao curage canal sy nandroaka ny fako teto Antananarivo ho fanampiana ny CUA.

Nomarihina tamin'ny fananganantsaina toy ny isaky ny Alatsinainy izany azy nisy ny reunion de staff niarahana tamin'ireo mpiara miasa amiko.

Nandritra izany fotoana izany ihany koa no nisaorako voalohany indrindra ny Filoha Andry RAJOELINA namerina indray ny fahatokisany tamiko amin'ny Fitantanana ny Faritra Analamanga.

Isaorana ihany koa ny Governora "mpisolo toerana" nitantana ny faritra nandritra izay volana vitsy tsy nahateo ahy izay sy ireo ekipa mpiara miasa rehetra.

Androana no mbola nanamafisako indray ny fahavononako sy ireo mpiara-miasa amiko hiasa bebe kokoa noho ny teo aloha mba hanatanterahana ny vina sy ny tanjon'ny Filoha Andry RAJOELINA .

Ireo no fanambarana nataon'ny Governora hery Rasoamaromaka tao anatin'ny fananganan-tsaina natao ny 22 janoary 2024 teto Ambohidahy.