Sosialy ho an'ireo mpiara-miasa rehetra ao amin'ny tranoben'ny Farittany Ambohidahy

SOSIALY HO AN'IREO MPIARA-MIASA REHETRA ATO AMIN'NY FARITANY AMBOHIDAHY, 25 JANOARY 2024
Ny asa rehetra dia tsy vita raha tsy ifanakonana hoy ny Ntaolo
Maro ny asa vitan'ny Faritra Analamanga nandritra iny fotoam-piasana voalohany iny. Tsy latsa-danja amin'izany koa anefa ny asa mbola hatao amin'ity fotoam-piasana faharoa ity.
Sampan-draharaha maro izahay no miara-miasa sy miara-miaina ato amin'ny biraon'ny Faritany eto Ambohidahy toy ny mpiasan'ny Faritra, polisin'ny Faritany, ny ao amin'ny CIM, ny mpiasan´ny Minisiteran'ny Finances ary ireo mpanao gazety mpiara-miasa ka isan'ny nahavitana ny asa izay natao.
Toy ny isaky ny Alatsinainy dia misy ny fiarahanay rehetra manangan-tsaina ho mariky ny fiandrianam-pirenena.
Noho izany indrindra dia nisy ny vary 50 kg natolotro ho an'ireo mpiara-miasa rehetra ato amin'ny Faritany tonga nanangan-tsaina mba ho mariky ny fiarahabana amin'izao fiarahana vaovao izao indray sy ho fiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2024.
Ho mafy noho ny tamin'ny fotoam-piasana voalohany ny miandry satria hijery bebe kokoa ny sosialin'ny vahoaka isika araka ny toromariky ny Filoha Andry RAJOELINA ka tsara raha ny sosialin'ireto mpiara-miasa hiaraka hanatanteraka izany asa izany no nojerena mialoha mba hananan'izy ireo hery sy tanjaka.
Izay no fanambarana nataon'ny Governora Hery Rasoamaromaka tamin'ny fananganan-tsaina natao ny alatsinainy 25 janoary 2024 lasa teo.