FAMBOLEN-KAZO 2024

Androany no fotoana natokan'ny Fitondrana malagasy nanombohana  ny fotoana fambolen-kazo eto Madagasikara amin'ity taona 2024 ity.
eny Imeritsiatosika toerana misy ny Tanana vaovao TANAMASOANDRO no toerana nanatanterahana izany.
Tonga nitarika izany teny an-toerana ny Filoha Andry RAJOELINA Mivady sy ny olom-panjakana maro teto Madagasikara.Tazana teny an-toerana ihany koa ireo solotenan'ny Masoivoho vahiny maro miasa sy monina eto amintsika.
Amin'ny maha adidy ho an'ny Firenena ny fambolen-kazo dia nanatanteraka izany teny an-toerana ny tenako sy ireo ekipa maro be mpiara miasa amiko ato amin'ny Faritra Analamanga
Fanamby  napetraka amin'ny fambolen-kazo moa ny fanamaintsona sy ho fandrakofana ala indray an'i Madagasikara ka dia hisy noho izany ny fanarahamaso ireo zanan-kazo rehetra izay volena.