Taorian'ny fikatonan'ny lalana tetsy Anosipatrana noho ny asa fandaminana ny fako sy fanilihana ny fako teny amin'ny arabe dia nisokatra io maraina io ny lalana eny an-toerana Ny dingana voalohany iny vita iny fa ny dingana faharoa dia ny hamadihana ireo fako ireo ho lasa zezika hambolena. Marihana fa nofefena ny eny an-toerana izay midika fa tsy azon'iza hanariana fako INTSONY eo satria efa azon'ireo camion hidirana eny Andralanitra. Entoana izahay ato amin'ny faritra Analamanga dia maneho ny fialantsiny ho anareo mpampiasa iny lalana iny noho ny fanelingelenana. Tsy hatao ambanin-javatra koa anefa ny fisaorana ireo izay rehetra nanampy anay nandritra iny hetsika tao anatin'ny andro maromaro teo iny toy ireo minisitera sasany nanome solika , ny CUA ary ny SMA. NY FARITRA ANALAMANGA MIASA HATRANY HO ANTSIKA
Isaorana ny avy ao amin'ny CUA tamin'ny alalan'ny pompier nanampy tamin'ny fanadiovana ny arabe amin'izao fotoana izao. Mbola ety an-toerana ny tenako sy ny ekipa manaramaso ny asa fanadiovana amin'izao ora izao. Hisokatra rahampitso ny lalana ety an-toerana. Niasa andro aman'alina ny avy eto amin'ny Faritra Analamanga omaly nandamina izany. Tsara ny manamarika fa efa vita sy azon'ny camions mpitatitra fako hidirana amin'izay ny eny Andralanitra ka noho izany dia efa hiala tsy ho ela ireto fako eto Anosipatrana ireto. Androany dia nampiana "bull " hafa indray ny miasa eny an-toerana nanampy ireo "engins" maro efa miasa eny. Hiaraka hanohy ny asa fanadiovana eny an-toerana ny Pompier avy ao amin'ny CUA sy ireo avy amin'ny Minisitera manana andraikitra Nisy androany ny fidinako sy ireo ekipa tetsy Anosipatrana nijery sy nandamina ny resaka fako teny an-toerana . Tsara ho marihina fa vonjimaika ihany io fanariana fako eny an-toerana io noho ny tsy fisian'ny lalana hidiran'ireo camions mpitatitra fako eny Andralanitra nandritra ny andro vitsy. Efa niravona anefa izany an-kehitriny ka hafindra eny Andralanitra tsy ho ela ireo fako eny Anosipatrana ireo. "Engins" 4 androany no nahetsiky ny Faritra Analamanga nanakisahana sy namahana ilay olana teny an-toerana. Mba hahafahan'ireo "engins" 4 ireo miasa andro aman'alina dia voatery notapahana mandritra ny 24 ora ny lalana eny amin'ny Digue Anosipatrana. Ny tenako sy ny Faritra Analamanga dia maneho ny fialan-tsiny ho antsika mpampiasa iny lalana iny.
Vita izay ny asa fandaminana ny fako teto Anosipatrana dia hiroso amin'ny fanampenana ireo lavadavaka eny amin'ny arabe eto Antananarivo indray ny Faritra Analamanga.