7 febroary 2009 - 7 febroary 2024

Tsaroana androany indray ilay daty tsy fanadino teto amin'ny tantaran'ny Firenena.
Andro nanjombona, 15 taona lasa izay dia nanakoako teto Ambohitsorohitra ny feom-basy sy ny kiakiakan'ireo Malagasy maro nitomany. Tonga tety an-toerana izy ireo mba hitaky ny fahamarinana saingy tifitra variraraka no nasetry izany.
Maro no maty ary nikoriana ny rà.
Toy ny isan-taona dia tsy avelan'ny Filoha Andry RAJOELINA sy ireo mpiara-mitolona mandalo izany daty izany fa tonga maro izy ireo nanatitra fehezam-boninkazo teto amin'ny tsangambato ho fahatsiarovana  ireo mahery fo.
Amin'ny maha mpitolon'ny taona 2009 azy dia tonga tety Ambohitsorohitra ihany koa ny Governoran'ny Faritra Analamanga, Hery Rasoamaromaka sy ireo mpiara-miasa aminy nanome voninahitra ity fotoana fahatsiarovana ny 7 Febroary 2009 ity.

07/02/24