Fambolen-kazon'ny Faritra Analamanga

Fambolen-kazo : Manarina tontolo iainana, mamelon'aina.
Zanakazo arivo fototra no novolena teny Analamanga Park
Araka ny toromariky ny Filoha Andry RAJOELINA dia nanatanteraka ny fambolen-kazo teny Analamanga Park, kaominina Ambalavao Atsimondrano ny mpiara-miasa ao amin'ny Faritra Analamanga. Teny filamatra mandritra ity taompambolen-kazo 2024 ity ny hoe : “Fambolen-kazo : Manarina tontolo iainana, mamelon'aina”. Zana-kazo arivo fototra no novolena tamin'izany izay nahitana hazo fihinam-boa samihafa toy ny pibasy na néflier, ny corossol, ny zavokà sy ny sisa. 
Nambaran'ny Governoran'Analamanga tamin'izany fa adidy tsy maintsy ataon'ny Faritra ny fambolen-kazo toy izao ary nanentana ny isan-tokantrano ihany koa ny tenany mba hamboly zana-kazo any amin'ny toerana misy azy tsirairay avy hanatanterahana ilay tanjona handrakotra ala indray an'i Madagasikara sy hamerina ho maitso indray ity Nosy ity.
Nanotrona ny Faritra Analamanga tamin'izao fambolen-kazo notanterahina teny Analamanga Park izao, ny Filoha lefitry ny Antenimieran-doholona, Nicolas Rabemananjara.