Tetezana Mangoro RN2

60 taona lasa dia lalan-tokana ho ana fiara iray izay tsy azo hifanenana ny teo amin'ny "Pont Mangoro".
Fiara 1400 isanandro no mandalo amin'ity tetezana ity izay tena lalandra ho an'ny Firenena tokoa.
60 taona aty aoriana dia nanampa-kevitra ny Fitondrana izay tarihin'ny Filoha Andry RAJOELINA ka nanova izany ho tetezana mba ho azon'ny fiara hifanenana izay hitondra vokany sy akony tsara ho an'ny toekaren'ny Firenena tokoa.
Amin'ny mampifandray ny Faritra Alaotra Mangoro sy ny Faritra Analamanga an'ity tetezana ity dia nanotrona ny Filoha Andry Rajoelina tany an-toerana ny Governoran'Analamanga, Hery Rasoamaromaka sy ireo mpiara-miasa aminy.