PDS Ramanambitana Richard, napetraka amin'ny toerany

FAMPANDROSOANA NY TANANA
Hiara-hiasa hatrany ny Faritra Analamanga sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra
Tontosa ny Talata 5 Martsa 2024 tetsy amin'ny Lapan'ny Tanàna Analakely ny fametrahana tamin'ny fomba manetriketrika ny Filohan’ny Delegasiona Manokana Richard Ramanambitana.
Nanatrika izany teny an-toerana ny Governoran'ny Faritra Analamanga, Hery Rasoamaromaka, amin'ny maha ato anatin'ny Faritra Analamanga an'Antananarivo Renivohitra, ary indrindra ny efa fisian'ny fiaraha-miasa matotra eo amin'ny Kaominina sy ny Faritra.
Izahay ato amin'ny Faritra Analamanga dia mbola vonona hatrany hitondra ny anjara biriky sy ny fanampiana amin'ireo sehatra maro efa niaraha-niasa hatramin'izay ho fampandrosoana sy ho fanatsarana ity Renivohitra iaraha-manana ity, hoy ny Governora.