8 Mars 2024 Analamanga

Nomarihina teny Ambohidratrimo

Nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy tetsy Ambohidratrimo, ny 08 martsa 2024, ho an'ny faritra Analamanga dia tsy adinon-dRamatoa Mialy RAJOELINA ireo vehivavin'Analamanga.
Niavaka tokoa ny tamin'ity taona ity satria dia nanolotra loka goavana ho an'izay fikambanam-behivavy mendrika sy tsara ny fisehoana nataony nandritra ny matso ny tenany.
Nahazo ny loka voalohany tamin'izany ny FIVAPO (Fikambanan'ny Vady Polisy) ka nahazo dimy tapitrisa Ariary. Ny faharoa nahazo ny vola telo tapitrisa Ariary dia ny Vehivavy Miarina sy Miray Hina avy any Ambohimanarina ary fahatelo ny FJF Madagasikara Ambohidratrimo ka nahazo ny loka roa tapitrisa Ariary.
Nisy kosa ny loka "manokana" nomena ny Gendarme vehivavy ka nahazo roa tapitrisa ariary izy ireo.
Entoana dia hisaorana manokana ny vadin'ny Filoha nahatsiaro sy tsy nanadino ny vehivavy eto Analamanga.

08/03/24