Vehivavy Analamanga teny Ambohidratrimo

Tetsy amin'ny Kianja manarapenitra tetsy Ambohidratrimo no nosafidiana ho toerana nankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy, 08 mars 2024, ho an'ny Faritra Analamanga.
Fikambanana maro eto Analamanga no tonga nananatrika izany teny an-toerana.
Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny hetsika teny an-toerana ny solombavambahoaka sy ben'ny tanana maro eto Analamanga.
Lohahevitra nentina nankalazana ny fety tamin'ity taona ity ny hoe "Vehivavy miarina, sy miray hina, firenena mandroso"
Nohamafisin'ny Governora Hery Rasoamaromaka, nandritra ny lahateniny ny hanatsaharana sy ny tsy hanekena ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy, ka mba ho vehivavy miarina sy miray hina ny vehivavy Malagasy, ka ho fanoitra hampandroso an'i Madagasikara.

08/03/24