Fitokanana ny DEPOT NATIONAL DE VACCINS

Noto️kanan'ny Filoha Malagasy Mivady tetsy Ivato  ny "Dépôt National de Vaccins"
Toerana izay ahitana toeram-piasana ary indrindra ilay toerana fanatobiana ireo vakisiny avy any Ivelany ka haparitaka manerana an’i Madagasikara.
Toerana kely sady tsizarizary efa nilaozan'ny toetr'andro ny dépot de vaccins tetsy Befelatanana teo aloha ka izao novaina ho toerana manarapenitra izao.
Nambaran'ny Filoha nandritra ny kabariny fa :
"Harena ny zanaka koa entanina hatrany isika ray aman-dreniny hiaro azy ireny amin'ny aretina ka hitondra ny zanatsika hatao vaksiny... "
Amin'ny maha eto Analamanga ity fotodrafitr'asa vaovao sy manarapenitra ity dia tonga nanotrona sy niara-nitokana izany tamin'ny Filoha Andry RAJOELINA ny Governoran'Analamanga Hery Rasoamaromaka.
Marihina fa ity "Dépôt" ity no lehibe indrindra raha aty Afrika.

25/04/24