Herinandron'ny vakisiny

"Ankohonana vita vakisiny, ankohonana salama", io no teny filamatra nentina nanamarihana ny herinandron'ny vakisiny eto Madagasikara, izay nosokafana tamin'ny fomba ofisialy teny Tsaramasay Antananarivo, ny zoma 26 aprily 2024. Tonga nanokatra izany teny an-toerana ny Reny mpiahy ny reny sy ny zaza, Ramatoa Mialy Rajoelina.

Nanohana sy nandray fitenenana tamin'ny fanokafana ofisialy ny hetsika "Fanenjehana ny fanaovana ny vaksiny faobe" ny ankizy mbola tsy nisitraka izany sy ireo izay tsy mbola nahavita izany hatramin'ny farany,  ny Governoran'ny Faritra Analamanga.

 

26/04/24