FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANAO HATRANY
Ny Faritra Analamanga tarihin'ny Governora Hery Rasoamaromaka, dia tsy mitsahatra manohy ny asa fanatsarana sy fanamoràna ny fiainan'ny vahoaka, araky ny vina napetraky ny Filoham-pirenena. Lalana rarivato mirefy 575 ML eo Ambohitsiroa mampitohy ny Kaominina ambonivohitra Ambohidratrimo mivoaka any amin'ny pavé Bout de piste Ivato no hovitaina izao.
Tsy hadino amin'izany koa ny lalana eo amin'ny sampanana RN4 Antokonana mampitohy ny Kaominina ambanivohitra Ankazondandy mankany amin'ny Kaominina ambanivohitra Soavinandriana, izay hovitaina ho lalana rarivato mirefy 350ML.