Lalana rarivato ao Ambohimiadana Manjakandriana

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANAO HATRANY
Ambohimiadana, 06 mai 2024
Mandeha tsara ary miasa haingana ireo orinasa manatanteraka ny asa fanaovana ny lalana rarivato na pavé ny lalana eny Ambohimiadana Manjakandrina.
Mbola eo am-panatanterahana ny asa ny orinasa manantateraka izany ankehitriny ary efa ny 80 % no vita.
Ny Faritra Analamanga dia mitaky hatrany kalitao tsara amin'ireo asa izay sahaniny rehetra.
Etoana dia maneho hatrany ny fialan-tsiny noho ny fanelingelenana ho an'ireo mpampiasa lalàna noho ny asa fanamboaran-dalana.