Natomboka androany ny asa fanorenana, 06 mai 2024
Ny Faritra Analamanga dia misokatra ho amin'ny fiaraha-miasa rehetra mba ho fampandrosoana miaraka sy haingana ny firenena ary hanatanterahana ny soridalana napetraky ny Filoha Andry Rajoelina.
Androany, 06 may 2024, no nanomboka ny dingana voalohany amin'ny asa hananganana ny "Cité des Métiers et de l'Artisanat" eto Ivato-Route Tsarasoatra. Asa izay ifandrimbonan'ny Ministeran'ny Fizahantany sy ny Asatanana, ny Ministeran'ny Asa Vaventy ary ny Faritra Analamanga.