Lalana Ambodifasina

Nidina nijery sy nanara-maso ny fanamboaran-dalana rarivato na pavé tetsy amin'ny fokontany Ambodifasina ny Governora Hery Rasoamaromaka sy ireo mpiara-miasa aminy, ny 08 may 2024. Lalana izay mirefy 700ML hovitaina ato anatin'ny 2 volana.
Natao nandritra izany fotoana izany ihany koa ny fijerena niaraka tamin'ireo teknisiana ato amin'ny Faritra, ny fotodrafitrasa hananganana ny " village artisanal" etsy Tsarasaotra Ivato.
Marihina fa ny Faritra Analamanga dia vonona sy misokatra amintsika rehetra, rehefa tetikasa na asa mampandroso ireo vina napetraky ny Filoha Andry Rajoelina.
Ny Faritra Analamanga dia miasa ary hiasa hatrany ho anao.

08/05/24