Manome toky izahay sy ny teknisianina fa harenina toy ny tamin'ny nahavitany voalohany ireo ampahan-dalana nisy nisompatra amin'ity lalana ity, hoy ny Governora Hery Rasoamaromaka. Nampitandrina mafy ireo izay minia mangalatra ny vato sy manimba ity lalana ity ihany koa ny tenany, fa hisy ny fanaraha-maso miaraka amin'ny mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka eny an-toerana ary ny mpampiasa lalana ka tsy handefitra amin'ireo izay ho tratra.
ANDAO ISIKA HIARAKA HIARO NY FANANANA IOMBONANA.