Tanterahina eny amin'ny CCI ivato ny 20 hatramin'ny 23 jona 2024 ny hetsika Salon du Tourisme Madagascar ITM sy ny International Handicraft fair Madagascar IHM.
Nisongadina nandritra ity lanonam-panokafana ity fa fanamby napetraky ny Fitondram-panjakana ny fampitomboana ny isan’ireo mpizahatany mitsidika eto amin'ny alalan'ny fanatsarana ny kalitaon'ireo tolotra maro isan-karazany, ny fampitomboana ireo fotodrafitrasa fandraisam-bahiny sy ireo sidina avy any ivelany.
Tonga nanatrika sy nanohana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin'ny fanokafana ny Salon du Tourisme Madagascar ITM, andiany faha 10 sy ny International Handicraft fair Madagascar IHM andiany voalohany, tetsy amin'ny CCI ivato, ny Governoran'Analamanga, Hery Rasoamaromaka.
Nasaina manokana amin'ity andiany ity i Cote d'Ivoire, ka nisolo tena an'ity firenena afrikanina ity ny minisitra ivoarianina miadidy ny Fizahantany sy ny Fialamboly.