Ny Filoha Malagasy Andry RAJOELINA no nisantatra izany voalohany ka ny zotra Anosy sy Soarano no nanatanterahany izany.
Isan'nyy fivoarana lehibe eto Antananarivo sy eto Madagasikara ity karazana fitaterana vaovao ity, satria tena hamaha ny olan'ny fitohanana no sady haingana sy tsy mandany fotoana ela.
Isan'ireo nanao ny andrana voalohany ihany koa ny Governoran'Analamanga ka nahita ny tombony goavana amin'ity fitaterana ity satria 3 minitra sy 18 segondra monja ny nanaovana an'Anosy ka hatreny Soarano.
Ny Fitondram-panjakana ankehitriny dia tsy mitsahatra ny mikatsaka izay hevitra rehetra hanamaivanana ny fitohanana eto andrenivohitra.