Matso lehibe teny Mahamasina

Madagasikara mandroso.
Malagasy miara-mientana ho an’ny fitiava-tanindrazana.
26 jona 2024
Toy ny isan-taona dia mifanindra andalana hatrany ny fety fankalazana ny fahaleovantena sy ny fankalazana ny fitsanganan'ny tafika Malagasy.
Noho izany indrindra dia nisy androany ny matso notanterahin'ireo tafika Malagasy tetsy amin'ny kianjan'ny Barea izay natrehin'ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara no sady filoha faratampon'ny foloalindahy Andriamatoa Andry Rajoelina.
Tonga tetsy Mahamasina nanatrika izany matso izany ny Governora sy ny mpiara-miasa aminy ao amin'ny Faritra Analamanga nanome voninahitra ny Tafika Malagasy.