Fanamboarana ny lalambe migodana

Nijery ny fizotry ny asa teny Talata-Volonondry ny Filoha Rajoelina. 02 jolay 2024
Nanatanteraka fitsidihana sy fijerena ifotony ny fandroson’ny asa fanamboarana ny lalambe migodana, teny Talata-Volonondry, ny Filohan’ny Repoblika mivady. Ity no lalambe migodana na autoroute voalohany eto Madagasikara izay mirefy 260km, mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina. Ho vita hatramin’ny faran'ity taona ity ny 25km voalohany amin'izany lalambe migodana izany ary tanjona napetraky ny Fitondram-panjakana ny hamitana azy tanteraka hatramin’ny taona 2027.
Nanotrona ny Filoha Rajoelina teny an-toerana ny Governoran'Analamanga satria miainga ato Analamanga ny tetikasa.
Maro tsy ho voatanisa ny tombotsoa goavana ateraky ny fahavitan'ity lalàm-be migodana ity satria dia hampihena hatrany amin'ny 40% ny vidim-piainana ary hampihena ihany koa ny fandaniana, na eo amin'ny solika na eo amin'ny fotoana. Hitondra tombotsoa goavana sy fandrosoana ho an'ny Faritra Analamanga ihany koa ny fahavitan'izy ity.
Nananosarotra ny fanombohana ny tetik'asa tany am-panombohana fa efa milamina izany ankehitriny satria nisy ny fihaonana sy ny fifampiresahana tamin’ireo vahoaka.
Napetraka ny vatofototra ho an'ny CEG ao Ambolo, kaominina Talata-Volonondry. 02 jolay 2024
Isan'ny fangatahan'ny mponina tamin'ny alalan'ny Ben'ny Tanàna ary nanomezan'ny Filoha torimarika ny Faritra Analamanga ny fananganana ilay CEG ao amin'ny Fokontany Ambolo Talata Volonondry ka notanterahina androany, 02 jolay 2024, ny fametrahana ny vatofototr'izany CEG ho an'ny ankizy izany, ho tamberin'andraikitra ao amin'ny toerana lalovan'ny tetikasa. Nanatrika izany ny solombavaambahoaka vao voafidy tao Avaradrano, RADAFINDRANARO ANDRIAMANGA Rijaniaina Thierry.
Nambaran'ny Filoha fa vina sy fanamby apetraka ny fanamboarana ity tetik'asa ity ka tsy maintsy ho vitaina ary ny faritra Analamanga dia vonona sy mitondra tan-tsoroka hatrany amin'ny fanatanterahana izany.