CENHOSOA : afaka mandidy fo misokatra

Notokanan'ny Filoha Rajoelina ny fotodrafitrasa. 04 jolay 2024
Notokanan'ny Filoha Andry RAJOELINA mivady androany 04 jolay 2024 ny toerana fandidiana fo voalohany eto Madagasikara izay eny amin'ny Hopitaly CENHOSOA Soavinandriana, izay tantanan'ny foloalindahy.
Teny an-toerana nanotrona izany lanonana izany ihany koa ny Governoran'Analamanga sy ireo olomanan-kaja maro sivily sy miaramila.
Isan'ny mitondra voka-tsoa ho an'ny Firenena sy ny tontolon'ny fitsaboana ary indrindra ireo zaza sy Malagasy maro ny fisin'ity toeram-pandidiana fo vaovao sy voalohany ity, satria maro no hisitraka izany ka tsy mila mandeha any ivelany intsony toy ny teo aloha.
Raha tsiahivina dia taloha, isika no mandray ireo marary tety amin’ny faritry ny ranomasimbe indiana saingy tsy nisy intsony izany ankehitriny ka ezahina ny hamerina ny hasin'ny fitsaboana eto Madagasikara.
Tafiditra anatin’ny vinan’ny Filohan’ny Repoblika hoe mitsinjo ny maha olona izany. Porofon'izany dia hatramin’ny 1960 ka hatramin’ny 2019 dia 16 ny hopitaly nitsangana manerana an'i Madagasikara, saingy noho ny fahatsapana fa mila manakaiky vahoaka ny fahasalamana ary mila havaozina ny toeram-pitsaboana no nananganana hopitaly miisa 30 nandritry ny 5 taonan'ny mandat voalohany. Ary ahitana fitaovana manara- penitra samihafa izany.
Hanavotra aina sy fiainan'olona maro ity "bloc opératoire cardiaque à coeur ouvert" vaovao ity, satria dia zaza sy ankizy 4 no efa nodidiana teto ary tena nahomby ny fandidiana.
Mandritry ny 5 taona dia ho maimaim-poana ny fandidiana atao eto.