Ho famaliana ny fangatahana nataon'ny mponina ao Ambolo, kaominina Talata Volonondry, distrikan'Antananarivo Avaradrano, tamin'ny Governoran'ny Faritra Analamanga dia nisy ny fanolorana zezika sy masomboly ho azy ireo, ny 16 jolay 2024.Tonga tany an-toerana nisolo tena ny Governora, nanolotra izany ireo mpiara-miasa aminy notarihin'ny Talen’ny Kabinetra ary nandray izany kosa ny Ben'ny Tanàna.
Marihina fa Ambolo dia isan'ny fokontany lalovan'ny lalam-be migodana mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina.
Santionany amin'ireo fanomezana nomena.