Tohodrano ao Ambolotara Ankazobe

Noraisina ara-teknika, 18 jolay 2024
FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANTSIKA.
Toy izao ny fahavitan'ny ny asa fanamboarana ny barrage izay hanondraka velaran-tany maro ho an'ny mpamboly ao Ambolotara Kaominina Ankazobe.
Tonga tany an-toerana ny teknisianina ato amin'ny Faritra Analamanga nijery ny fahavitan'ny asa ary nanao ny fandraisana ara-tekinika.
Asa izay niarahana tamin'ny mpiara miombon'antoka PNUD ny famatsiana azy, ny Faritra Analamanga kosa no nanatanteraka ny asa.
Tsahivina hatrany fa ny fambolena dia isan'ny fanoitra goavana hampandrosoana ny Kaominina eny hatramin'ny Firenena ihany koa.