Notoloran'ny Faritra Analamanga dabilio
Taorian’ny fanolorana dabilio 100 ho an’ny CEG Anosisoa Ambohimanarina dia nanolotra dabilio miisa 50 ho an’ny Lycée Anosisoa Ambohimanarina indray ny Faritra Analamanga.
Ho fampiroboroboana ny fampianarana izay antoky ny fampandrosoana ny firenena araky ny vinan’ny Filoha Andry Rajoelina, fa ny akaiky indrindra no sady zava-dehibe dia ny hiatrehana ny fanadinana Bakalorea izay hanomboka ny alatsinainy 22 jolay ho avy izao, no antony nanolorana azy ireo androany.