Nambaran'ny Governora tamin'ity lanonana ity fa "niantso azy ireo aho hifanampy, hifankatia ary hifampiaro, fa tsy ifanenjika. Tsy misy resaka politika eto hoy aho fa mila manao zavatra ho an'ny tanindrazana sy ny taranaka ny tsirairay".
Hisy hetsika fiaraha-mifaly sy korana hotanterahin'izy ireo ny sabotsy 7septambra 2024 eny Analamanga Park ka hanolo-tanana amin'izany ny Governora.
Ny fampirantiana sy fampahafantarana ny SN na fanompoampirenena ivelan'ny tafika dia azontsika rehetra tsidihina ao amin'ny Trano sary Ambohidahy manomboka androany ka hatramin'ny sabotsy 3 aogositra izao.