Mbola eo an-dalam-panantanterahana ny asa ny orinasa manao ny lalana rarivato na pavé ao Anempoka Andramasina, toy izao hitantsika amin'ny sary izao.
Ny Faritra Analamanga dia mitaky kalitao tsara hatrany amin'ireo asa izay sahaniny rehetra, mba ho fotodrafitrasa maharitra holovan'ny taranaka.
Ny Faritra Analamanga dia maneho ny fialan-tsiny ho an'ireo mpampiasa ny lalana noho ny fanelingelenana mandritra ny asa tanterahina.