Mandeha ankehitriny ny asa fanamboaran-dalana fanaovana "terrassement" ny lalan-tany ao Ambatomandeha, Betsizaraina ao amin'ny Commune Ambohimangakely
Izany no atao dia fanatanterahana ny toromariky ny Filoha Andry RAJOELINA dia ny hanamboarana sy famitana lalan-tany 250 km isan-taona ary isaorana hatrany ny Filoha nanolotra ireto fitaovana nahafahana nanao ny asa ireto.
Entoana dia hentanina ny ao amin'ny fokontany sy ny commune mba hanentana sy handrara ny fampiasana sarety kodiarana vỳ izay isan'ny tena manimba haingana ny lalan-tany.
Ny faritra Analamanga dia maneho etoana ny fialahan-tsiny noho ny fanelingelenana mandritra ny fanatanterahana ny asa.