Amin'ny maha Renivohitry ny Faritra Analamanga sy ny maha tanana iombona an'Antananarivo Renivohitra dia tonga nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fifanajana tao amin'ny birao fiasako eto Ambohidahy ny Filohan'ny Delegasionina Manokan'ny tanànan'Antananarivo (PDS), Ramatoa Harilala RAMANANTSOA.
Nandritra ny tafa sy ny dinika dia nanome toky ny tenako sy ny Faritra Analamanga fa hifanolo-tanana amin'ny fanarenana sy ny fampandrosoana an'Antananarivo izay Renivohitr'i Madagasikara toy izay efa nataonay hatramin'izay.
Ampatsiahivina fa ny Faritra Analamanga dia efa mpanampy ny Commune Antananarivo Renivohitra tamin'ny fanalana ny fako sy ny fanamboaran-dalana sy ny maro hafa ary dia manome toky fa mbola ho eo hatrany.