fihaonana sy fifankahalalana teo amin'ireo olona efa nandalo SN

Fihaonana sy fifankahalalana teo amin'ireo  olona efa nandalo "SN" ny 07 septembre 2024
 
Notanterahina ny Sabotsy teo teny Analamanga Park ny fihaonana sy fifankahalalana teo amin'ireo  olona efa nandalo "SN" na "Fanompoam-pirenena ivelan'ny tafika" izay mivondrona ao anatin'ny fikambanana SNHFAP manerana ny Madagasikara
Raha tsahivina ny SN dia fanompoam-pirenena ataon'ireo zatovolahy sy zatovovavy vao avy afaka ny fanadinana bakaloreoa ka manao ny asam-panjakana maro samy hafa toy ny fampianarana manerana ny tanin'ny Madagasikara hatrany ambanivohitra lavitra mandritra ny 1 taona alohan'ny hanohizana ny fianarana eny amin'ny Oniversite.
Zava-dehibe tokoa ny vitan'ireny "zatovo" ireny ho an'ny Firenena tamin'izany fotoana izany ka dia tsy nisalasala ny tenako nanaiky hataon'izy ireo ho "RAY MPIAHY" ny fikambanana ary dia nanolotra sy nanohana ny hetsika natao teny Analamananga Park.
Ny tenako rahateo dia nanao ny "Fanompoam-pirenena  ivelan'ny tafika na SN" ka rariny sy hintsiny raha nanohana azy ireo.