Nahazo fitaovana vaovao toy ny scanner
Tonga tetsy amin'ny CHU Andohatapenaka Andriamatoa Filoha, Andry Rajoelina io maraina io, nanolotra ny scanner sy fampitaovana ho an'ity hopitaly Manarapenitra ity, entina hamaliana ny filan'ny ankamaron'ireo tsy salama.
Nanome voninahitra ity lanonam-panolorana ity ny Governoran'Analamanga sy ireo manamboninahitra maro.
Manome lanja hatrany ny lafiny fahasalamana ny fitondram-panjakana, ary toky efa nomen'ny Filoha ny fametrahana scanner amin'ireo toeram-pitsaboana maro.
Tanteraka izany ankehitriny ary hinoana fa hanavotra aina maro.