Manjakatompo Ambohitromby

Ataon'ny Faritra Analamanga ho fitaratra amin'ny fambolena katsaka sy vary an-tanety ary soja

Ho fanatanterahana ny vinan’ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ny amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo dia nikaroka toerana ahafahana mamboly ny Faritra Analamanga izay tarihin'ny Governora Hery Rasoamaromaka. Namaly izany ny Tarika Iraimbilanja ka nanolotra tany mirefy 100ha eny Manjakatompo, Kaominina ambanivohitra Ambohitromby, distrikan’Ankazobe. 
Natomboka ny alarobia 09 oktobra 2024 ny fiasana ilay tanety ka nampiasana ireo fitaovana maoderina an’ny Faritra Analamanga. Hanome tànana hanatontosa ny tetikasa ireo teknisian’ny Faritra tarihan’ireo Talem-paritra izay voakasika. Ho atao fitaratra na « pilote » ity toerana ity izay hambolena katsaka sy vary an-tanety ary soja. Hoezahana aparitaka amin’ny toeran-kafa izany tetikasam-pambolena izany. 
ANALAMANGA TSY MAINTSY MANDROSO

09/10/24