Lapan'ny Fitsarana sy Fonja Avaradrano

Voaporofo ny fisian'ny Fanjakana manakaiky vahoaka

Notanterahina androany, 15 oktobra 2024 tetsy Avaradrano, kaominina Ambohitrabiby ny fitokanana ny Lapan'ny Fitsarana Avaradrano sy ny fonja.
Tonga nanome voninahitra izany fotoan-dehibe izany ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara, Andry Rajoelina notronin'ireo olomanan-kaja maro sivily sy miaramila.
Amin'ny maha ato anatin'ny Faritra Analamanga ity fotodrafitrasa goavana sy manan-daja ity dia teny an-toerana sy nandray fitenenana ho fisaorana ny fitondram-panjakana ny Governoran'ny Faritra Analamanga, Hery Rasoamaromaka.
Andro manan-tantara ho an'ny Distrikan’Avaradrano tokoa ity fitokanana fotodrafitrasa ity satria dia manakaiky vahoaka sy manala ny fahasahiranan'ny vahoaka eny an-toerana.
Miteraka fahasahiranana ho an'ny rehetra ny fahalavirana, na ho an'ny mpitory na ho an'ny toriana, na eo amin'ny vavolombelona sy ny mpitandro ny filaminana ihany koa aza, ka izay no tena antom-pisian'izao fanangana fotodrafitrasa izao.
Toromarika hentitra ary paikady manokana no hapetraka, hoy ny Filoha dia ny handravantsika ireo tambazotra rehetra mpangalatra ny tanin'ny vahoaka madinika ary izaho sy ny Talen'ny bianco no hiaraka handrava izany.

15/10/24