Vahaolan'ny ranon'Antananarivo

VAHAOLAN'NY RANON'ANTANANARIVO
Adidin'ny tompon'andraikitra no mitondra vahaolana. "Tsy eny ambony birao izany fa midina ifotony", hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina androany. 
Niara-nidina tamin'ny Filoham-pirenena teny amin'ny JIRAMA Mandroseza ny Governoran'Analamanga, Hery Rasoamaromaka androany tolakandro. Ny Filoha Andry Rajoelina izay nanolotra fiarabe 4 hanampy ireo fiarabe 10 hamaha vonjimaika ny olan'ny famatsiandranono eto Antananarivo, niampy fanomezana motopompe maromaro. 
Rano madio sy vita fitiliana avy eto Mandroseza no taterina amin'ireo fiarabe hamatsiana ireo bonbonne sy tobindrano vonjimaika naparitaka amin'ny toerana maro manerana an'Antananarivo.
Niara-nitsidika ireo toerana hanaovana tetikasa hangalana sy hanadiovana rano teny amin'ny farihin'i Mandroseza sy Amoronankona niaraka tamin'ny Filoham-pirenena sy ireo minisitra tompon'andraikitra ary ny solontena maharitry ny banky iraisampirenena ny Governoran'Analamanga taorian'izay.

15/10/24