Faritra Analamanga sy ny Vondrona Eropeana

Nisy ny fitsidihana ara-pomba fifanajana nataon'ny Ambasadaoron'ny Vondrona Eropeanina Andriamatoa Roland Kobia tamin'ny Governoran'Analamanga Hery Rasoamaromaka, tetsy amin'ny biraon'ny Faritra tetsy Ambohidahy, ny talata 05 novambra 2024.
Vontoatin'ny fihaonana tamin'izany ny ho fanohizana ny fiaraha-miasa eo amin'ny roa tonta ho fampandrosoana ny faritra Analamanga.
Samy naneho ny fahavononany ny roa tonta fa hanohy sy hanatsara bebe koa ny fiaraha-miasa efa nisy teo aloha. Tsy hadino ihany koa anefa nandritra ny fihaonana ny momba ny raharaham-pirenena ankehitriny.

05/11/24