CNAPS, manatsara ny fomba fiasa

Fomba fiasa vaovao
Nanotrona ny filohampirenena sy ry zareo eo anivon’ny CNAPS ny Governoran'Analamanga ny alakamisy 7 novambra 2024, tao amin’ny CCI Ivato. Tamin'io fotoana io no nampahafantaran’ny CNAPS ireo tolotra sy fomba fiasa vaovao eo anivon’ny biraony rehetra : hanafainganana ny asa, hanamaivanina ireo fivezivezena sy ny filaharana ary ialàna amin'ireo mety ho hosoka samihafa mety miseho. Tolotra ara-haitao ara-kajy mirindra na ny «digitalisation» no fomba fiasa vaovao ampiasaina manomboka izao. 
Nokarakaraina manokana koa ireo zokiolona 80 taona no mihoatra ka hiakatra 25% mifanila amin’ny karama farany ambany ny fisotroan-dronono ho azy ireo. Ireo mananon-tena kosa, izay mbola miasa dia niakatra 30% ny "pension de veuvage" raisin'izy ireo. Ho an'ireo tsy an'asa kosa dia nampiakarina 50% izany. 
Izany no atao dia hanatanterahana ny vina napetraky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny amin’ny ikarakarana ny vahoaka, hampiakatra ny faripiainany ka isitrahan’ireo mpiasa miasa rehetra ny fiahiana ara-tsosialy.