Fisotroan-dronono ho an'ny mpiasa
Mitsimbina ny fisotroan-dronono ho an'ny mpiasan'ny Faritra Analamanga ny Governora Hery Rasoamaromaka. Nisongadina io nandritra ny kabary nataony taorian'ny fananganan-tsaina notanterahina tetsy Ambohidahy ny alatsinainy 11 novambra 2024 lasa teo. Tonga teny antoerana ihany koa ny solotena avy ao amin'ny CNAPS nitondra fanazavana feno ho an'ny mpiasa mahakasika ny fisitrana zo ao amin'ny CNAPS.
Toy izao ny fanambarana nataon'ny Governora Hery Rasoamaromaka : "Taona maro tany alohan'ny nahatongavako teto amin'ny toerana naha Governoran'ny Faritra Analamanga dia tsy nisy intsony ny déclaration sy ny fandoavana ny latsakemboky ny mpiasa tany amin'ny Cnaps ka maro ireo olona lasa nisotro ronono no tsy nisitraka ny zo fisotroan-drononony mihintsy.
Volana vitsy tao aorian'ny nahatongavako, izany hoe ny taona 2020, dia niverina nanao déclaration ny mpiasa ny avy ato amin'ny Faritra Analamanga ary nanao ny fifampiraharahana rehetra mba handoavana ireo vola be tsy voaloa tany aloha.
Tao aorian'ny fifampidinihana teo amin'ny 2 tonta dia efa eo andalam-pamahana ny fandoavana ny latsakemboky ny mpiasa tsy voaloa nandritra ny taona maro ny Faritra Analamanga izay tarihako an-kehitriny. Etoana ny tenako sy ny Faritra Analamanga dia mampanantena fa hitady ny hevitra sy ny fomba rehetra hamahana io olana io".
ANALAMANGA TSY MAINTSY MANDROSO.