Fiaraha-miasa CHINE-Analamanga

Matotra ny fiaraha-miasa eo amin'ny roa tonta
Nisy androany, 12 novambra 2024, ny fihaonana sy atrikasa niarahan'ny Governoran'Analamanga, Hery Rasoamaromaka sy ny Ambasadaoron'i Chine miasa sy monina eto amintsika, SEM Ji PING, ary ny  Tale Jeneralin'ny orinasa SMATP  na ny Société Sino Malagasy de Travaux Publics, tetsy amin'ny foiben'ny orinasa tetsy Ankorondrano.
Araky ny efa fantantsika dia isan'ny tena nahafantarana ny Faritra Analamanga nandritra izay 5 taona voalohany niasanay izay, ny resaka fanamboaran-dalana, indrindra ireo lalana mampitohy sy mampifandray kaominina samihafa.
Hanatsara bebe kokoa izany asa fanamboaran-dalana izany ny tanjona amin'izao fihaonana sy atrik'asa izao ka inoana sy antenaina fa hahazoan'ireo kaominina maro tombon-tsoa izany.
ANALAMANGA TSY MAINTSY MANDROSO.