Nosokafana omaly tetsy Andraharo ny ivontoerana iray hanomezana rantsam-batana artifisialy ho an’ireo manana fahasembanana na ny camp «Jaipur Foot Mada».
Toerana natao handraisana, hakana refy, lasitra sy hanomezana ny rantsam-batana artifisialy (tanana fa indrindra ny tongotra) ho an'ireo efa tsy manana izany intsony noho ny loza na ny aretina ny camp Jaipur Foot Mada.
Ramatoa Mialy Rajoelina vadin’ny filoha no Reny mpiahy ity toerana ity. Ary izy ihany koa no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika.
Teny an-toerana niaraka nanokatra ity toerana ity ny Governoran'Analamanga sy ireo olomanan-kaja maro.