Nijery ifotony ny fizotry ny asa ny Filoha Rajoelina, 14 nov 2024
Nidina nijery ifotony ny fandroson'ny asa fanamboarana ny lalambe mikodàna na ny autorote, tetsy Ambodifasina Tsarasaotra PK00 ny Filohampirenena Andry Rajoelina androany 14 novambra 2024, ary nanotrona azy ny Governoran'Analamanga sy ireo mpiara-miasa aminy ao amin'ny Faritra Analamanga.
Nomarihan'ny Filoha tamin'izany fa tena efa mandroso ny asa satria efa ho 50km eo no efa voatototra sy voajary (remblayé compacté), ary hovitaina ny ampahany voalohany 80 km alohan'ny desambra 2025.
Hovitaina tsikelikely daholo koa ireo lalana ratsy sy misy lavaka eto Antananarivo hoy ny Filoha. Misy koa ny fotodrafitrasa vaovao be antsoina hoe "Lake Iarivo", izay toerana ahafahantsika eto Antananarivo hialana voly, tahaka ny Miami Toamasina. Ny Faritra Analamanga sy ny SENVH moa dia efa miara-miasa hahavita an'io toerana mahafinaritra io. Misaotra ary mankasitraka manokana ireo manohana. Matoky ny vahoaka manohana azy ny Filoha.
Analamanga tsy maintsy mandroso.