TSENABEN'NY FIZAHANTANY ANDIANY FAHAVALO SY TSENABEN'NY ASATANANA ANDIANY VOALOHANY
Trano heva 140 izay misehatra amin’ny fizahantany sy asatanana manerana ny Nosy no mandray anjara amin’ity hetsika Tsenaben'ny Fizahantany andiany fahavalo sy Tsenaben'ny asatanana andiany voalohany ity, izay nisokatra androany 22 novambra 2024, etsy amin'ny Kianja Barea Mahamasina ary haharitra hateloana.
Isan'ny fanoitra sy singa mampandroso ny Firenena ny fampiroboroboana ny fizahantany sy ny asa tanana ka izany indrindra no isan'ny nahatongavan'ny Filoha Andry Rajoelina nitsidika sy nanome toky ireo mpisehatra fa manohana azy ireo ny fitondrampanjakana. Pporofon'izany ilay fotodrafitrasa lehibe Lac Iarivo sy ilay toerana Tsenaben'ny Asatanana izay marihana fa efa eo andalam-panorenana ankehitriny.
Amin'ny maha ato Analamanga ity hetsika ity dia tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonam-panokafana teny an-toerana ny Governoran'ny Faritra analamanga izay mitaona ny rehetra hitsidiika, sy hitety an'i Madagasikara raha misy fahafahana manao izany ary hizatra hanjifa ireo vita malagasy.
Tompo-marika tamin'ity hetsika ity ny Ministeran’ny fizahantany sy ny asatanana, ny Office National du Tourisme de Madagascar (ONTM), ny Centre National de l’Artisanat Malagasy (CENAM).