CEO Summit andiany voalohany

Nanomboka androany 05 desambra 2024 ary haharitra roa andro ao amin'ny Novotel Convention Ivandry, eto Madagasikara, ny andiany voalohany amin'ny CEO Summit izay fihaonan'ireo tompona orinasa goavana sy mpandraharaha eto amin'ny Ranomasimbe Indiana.
Tanjona ny hanomezana sehatra azy ireo hifanakolazana hevitra sy hifampizarana traikefa sy fomba amam-panao tsara manoloana ireo fanamby ara-toekarena eto amin'ny Faritry ny Ranomasimbe Indiana.
Nanterin'ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina nandritra ny fandraisany fitenenana fa ny sehatra tsy miankina dia anisan'ny fanoitra lehibe amin'ny fampandrosoana ara-toekarena ary fanamby napetraky ny Fitondram-panjakana ny hampiroboroboana ny indostria sy hamokarana eto an-toerana izay rehetra ilain'ny vahoaka malagasy.
Ny Faritra Analamanga izay tarihin'ny Governora Hery Rasoamaromaka dia efa tsy mitsahatra hatramin'ny nandraisany ny fitantanana ny amin'ny fiaraha-miasa amin'ireo sehatra tsy miankina na eto an-toerana na any ivelany, toy ny tatsy ami 'ny Nosy Maurice ka izany indrindra no antony nanatrehany ity fotoana androany ity.

05/12/24